<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>O! mihobia, ry vahoaka any Ziona! AN10</title>
<lyrics>[V1]
 O! mihobia, ry vahoaka any Ziona!
 Fa indro, ny Masina Jehovah Mpanavotra,
 Mitsangan-kitahy eo afovoanareo,
 Hahatsara an'i Ziona mba ho tany hiadananareo.
 Sambatra ao Ziona fonenanareo.
 Endre, ny tranom¬panjakana ao Ziona!
 Izahao. Hotantaraina hatramin'ny farany,
 samy hahare izay taranakareo.
 O! mihobia, ry vahoaka any zona!
 Fa indro, Jehovah eo afovoanareo.</lyrics>
<hymn_number>10</hymn_number>
</song>